1 Mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Mihirā ho an'i Jehovah ry tany rehetra.

2 Mihirā ho an'i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.

3 Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.

4 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra rehetra.

5 Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.

6 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin'ny fitoerany masina.

7 Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.

8 Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrā fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.

9 Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra. 

10 Lazao any amin'ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana Izy.

11 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.

12 Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin'izay ny hazo rehetra any an'ala

13 Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin'ny fahamarinany.