1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra.

2 Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany rehetra Izy.

3 Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika ,ary firenen-tsamy hafa ho ambanin'ny tongotsika.

4 Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr'i Jakoba izay tiany. 

5 Efa niakatra tamin'ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin'ny fitsofana ny anjomara.

6 Mankalazà an'Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.

7 Fa Mpanjaka amin'ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.

8 Andriamanitra manjaka amin'ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany masina.

9 Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon'Andriamanitr'i Abrahama; fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany; Avo indrindra Izy.